Rehefa hanomboka hiresaka amin'olona, dia ny fiarahabana no anisan'ny zavatra lehibe indrindra tsy tokony ho adinoina. Izany indrindra no antony nahatonga ny lesona mahakasika ny fiarahabana mba ho mora amin'ny mpianatra ny hifanerasera voalohany amin'ny olona miteny Frantsay.
Saluer/ Miarahaba
Ireto no fomba fiteny tena mahazatra indrindra entina miarahaba olona amin'ny teny Anglisy.
Salut! / Salama!
Salut les gars ! / Salama zalahy a!
Bonjour! / Manahoana (maraina)
Bonsoir! / Manahoana (hariva)
Bonjour Bernard! / Manahoana i Bernard!
Bonjour à tous ! / Manahoana daholo!
Demander des nouvelles sur la santé / Manontany vaovao momba ny fahasalamana.
Tahaka ny amin'ny teny Malagasy, dia misy ihany koa ireo fomba fiteny fampiasa entina manontany fahasalamana.
Ny "tu" dia ampiasaina ho amin'ny olona mifankazatra kokoa raha ampiasaina amin'ny sehatra manaja kokoa ny "vous".
Comment vas-tu ? / Manao ahoana ny fahasalamana?
Comment-allez-vous ? / Manao ahoana ny fahasalamanao?
Comment te portes-tu? / Manao ahoana ny fahasalamana?
Comment vous portez-vous ? / Manao ahoana ny fahasalamanao?
Comment vous sentez-vous? / Manao ahoana ny fahasalamanao?
Comment ça va? / Manao ahoana ny fahasalamana?
Réponses / Valiny
Azo ampiasaina avokoa ireto fomba fiteny manaraka ireto raha hilaza vaovao mahakasika ny fahasalamana.
Bien et toi? / Tsara, ary ianao?
Je vais bien, merci. / Salama tsara aho fa misaotra.
Je vais très bien, merci. Et vous? / Salama tsara aho fa misaotra. Ary ianao?
Ça va bien, merci. / Tsara fa misaotra.
En pleine forme. / Tomady tsara.
Je pète la forme. / Ao tsara aho.
Demander des nouvelles en général / Manontany vaovao amin'ny ankapobeny
Ankoatra ny fanontaniana vaovao momba ny fahasalamana, dia misy ihany koa ny fomba fiteny entina manontany vaovao hafa.
Quoi de neuf? / Inona ny vaovao?
Quoi de nouveau? / Inona ny vaovao?
Quelles sont les nouvelles? / Inona ny vaovao?
Ça boume? / Ao tsara ve?
Reponses / Valiny
Rien de spécial. Chez toi? / Tsy misy vaovao. Any aminao?
Rien à dire./ Tsy misy ambara.
Rien de nouveau. / Tsy misy vaovao.
Comme d'habitude./ Tahaka ny mahazatra.
Raha toa ka efa nihaona teo aloha ary tafahaona indray taorian'ny fotoana ela, dia azo ampiasaina ireto fehezanteny ireto.
Ça fait longtemps. / Ela izay.
Ça fait un bail. / Tena ela izay.
Ça fait très longtemps que je ne t'ai pas vu./ Ela izay nahitako anao izay.