LESSON 18

MILAZA FAHAFAHANA NA FAHAVITANA ZAVATRA MAMPIASA
"CAN"

Ny "can" dia azo adika amin'ny teny malagasy hoe "afaka" na "mahay" na "mahavita". Izany hoe teny entina milaza fahafahana na fahavitana manao zavatra iray. Toy ny amin'ny teny malagasy hoe "Afaka mandeha ianao", "Mahavita misotro divay roa tavoahangy izy."

Affirmative form/ Endrika milaza:

Exemples:

Interrogative form/ Endrika manontany:

Ny endrika manontany amin'ny fampiasana ny "can" dia tsy mba ampiasana ny "do" na "does" tahaka ny matoateny hafa. Ampifamadihana fotsiny ny toeran'ny subject sy ny verb ao anaty fehezanteny amin'ny endrika manontany mampiasa "can".

Can + Subject ….?

Exemples:

Negative form/ Endrika mandà:

Ny endrika mandà dia aseho amin'ny alalan'ny fanampiana "not" aorian'ny verb, izany hoe "can not", na "cannot". Amin'ny fiteny mahazatra dia azo atao koa ny manafohy ny endrika mandà aminn'ny "can" ka lasa "can't" izay adika daholo amin'ny hoe "tsy afaka" amin'ny teny malagasy.

Subject + can not …

Exemples:

Remark with the modal "can"/ Fanamarihana mahakasika "can"

Amin'ny ankapobeny dia afaka misolo ny toeran'ny "can" ny fampiasana ny "to be able to" ilazana fahavitana na fahafahana manao zavatra iray. Misy mahasamihafa kely ny fampiasana azy saingy saika amin'ny sehatra rehetra dia afaka ampifanolosoloana izy roroa.

TANDREMO! Aza adino ny mitanisa ny verb "to be" araka ny subject.

Exemples:

CORRECTION >>
EXERCISES >>