Anisan'ny matoateny tena fampiasa matetika ny "to have" ary maro ny heviny hampiasana azy
amin'ny teny anglisy. Eto amin'ity lesona ity dia ny heviny fototra izay midika hoe "manana" no
hojerentsika, izany hoe ny "to have" entina ilazana fananan-javatra.
Ny firafiny ao anaty fehezanteny dia mitovy amin'ny matoateny rehetra ihany ary tanisaina
araka ny subject.
I have
You have
He has/ she has/ It has/ Mary has/ The cat has
We have
You have
They have
Exemples:
I have an appointment./ Manana fotoana aman'olona aho.
My son has a laptop and a cell phone./ Manana ordinatera sy finday ny zanako.
We have a car and you have a motorbike./ Izahay manana fiara ary ianareo manana moto.
Eric and Mark have free time./ Manana fotoana i Eric sy Mark.
Do you have anything to say?/ Manan-javatra holazaina angaha ianao?
Do we have a meeting?/ Misy fivoriana ve isika? (manana fivoriana ve isika)
Does your wife have a job?/ Manana asa ve ny vadinao?